top of page

Iza moa io "Ny tenako" izay novangianao teo io?

 

RABERINARY Solomampionona Tahiry Ny Aina  no anarako.

Malagasy aho ary eto MADAGASIKARA  (Manan-kasin-tsara) no monina.  Misaotra sy mankasitraka anao tokoa "ny tenako" nahavangivangy ahy sy ny zavatra nataoko tato anatin'ity pejy ity.

Izay mahavangivangy tokoa moa tian-kavana hoy NY MALAGASY.

 

Ny momba ahy dia tsotra ihany : olona tsotra, tia sary, mankafy tanteraka izany ary miezaka ny hanao izay tsara indrindra takatro. Ity Pejy ity izany dia natokako ho amin'izay fitiavako ny sary izay ary ahafahanao mijery sy mamantatra ny asa tanako. Tsy asako ny maka sary fa entanin'ny fitiavana sy ny fizahàna izay tsara indrindra ary miezaka ny mizara izany amin'izay liana. Fantatro ihany koa fa tia sary toa ahy ianao matoa tonga eto. Nifanena tokoa ny tia sy ny manina raha izany ka raha toa ka misy fanamarihana tianao atao dia io ihany koa ny pejy "facebook"-ko hanomezanao izay hevitrao sy ny fahatsapanao izay hitanao teto izay na koa mametraka hafatra izay tianao etsy ambany! Aza misorona fa raisina an-tanan-droa ny avy any aminao.

 

Mankasitraka anao sahady amin'izay nataonao teto amin'ity pejy ity sy izay mbola ho ataonao. Ary manasa anao ny hijery ity pejy iray ity izay maneho izay sariko efa naranty tetsy sy teroa. Ity ihany koa misy pejy iray maneho ireo sary nataoko tamin'ny "Argentika".

 

Raha toa ka mahaliana anao ny hifandray amiko mikasika ny sary dia indro ny adiresin'ny mailako : rstselfone@yahoo.fr

 

Mankatelina ary mirary soa tompoko ô! Ny tsara rehetra anie homba anao!

 

Marihiko fa ny sary izay apetrako ato amin'ity Pejy ity dia tsy azo adika na alaina na ampiasaina raha tsy misy fahazoan-dalana avy aty amiko. Misaotra amin'ny fahatsapanao.

All Right reserved on the contents of this website.

Tous Droits reservés sur le contenu de ce site web.

 

RABERINARY Tahiry.

RABERINARY

Tahiry

bottom of page